1 John 1

1Izay hatramin’ny fiandohana- izay efa renay, izay efa hitanay tamin’ireo masonay, izay efa nojerenay, ary izay efa nokasihan’ny tananay- izany dia momba ny Tenin’ny fiainana. 2Toy izany ihany koa, ny fiainana dia nampahafantarina, ary efa hitanay izany, ka mijoro vavolombelona amin’izany izahay. Izahay dia manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray, ary izay efa nampahafantarina anay.

3Izay efa hitanay sy renay dia ambaranay aminareo ihany koa, mba hanananareo fifandraisana aminay ihany koa. Ny fifandraisana misy eo aminay dia amin’ny Ray sy amin’ny Zanany, Jesosy Kristy. 4Toy izany ihany koa, manoratra ireo zavatra ireo ho anareo izahay mba ho tanteraka ny fifaliantsika. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny taloha sasany dia mivaky toy izao: “Ary manoratra ireo zavatra ireo izahay mba ho tanteraka ny fifalianareo.”]

5Izao no hafatra izay efa renay avy taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary ao Aminy dia tsy misy haizina mihitsy. 6Raha milaza isika fa manana fifandraisana Aminy ary mandeha ao anatin’ny haizina, dia mandainga isika ary tsy manao ny marina. 7Kanefa raha mandeha ao amin’ny fahazavana isika tahaka Azy ao amin’ny fahazavana, dia manana fifandraisana amin’ny tsirairay avy isika, ary ny ràn’i Jesosy Zanany no manadio antsika amin’ny fahotana rehetra.

8Raha milaza isika fa tsy manam-pahotana, dia mamitaka ny tenantsika isika, ary ny fahamarinana dia tsy ao amintsika. 9Nefa raha miaiky ireo fahotantsika isika, Izy dia mahatoky sy marina amin’ny famelana ireo fahotantsika ary manadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Raha milaza isika fa tsy mbola nanota, dia manao Azy ho mpandainga, ary tsy ao amintsika ny teniny.

10

Copyright information for PltULB